Skip Navigation
The Endowment for Human Development
The Endowment for Human Development
Improving lifelong health one pregnancy at a time.
Donate Now Get Free Videos

Multilingual Illustrated DVD [Tutorial]

The Biology of Prenatal Development




NY FIVOARAN'NY ZAZA ANY AMBOAKA

.Malagasy


National Geographic Society This program is distributed in the U.S. and Canada by National Geographic and EHD. [learn more]

Choose Language:
Download English PDF  Download Spanish PDF  Download French PDF  What is PDF?
 

Chapter 15   5 Weeks: Cerebral Hemispheres

Anelanelany herinandro 4 sy 5 dia mitohy aingana ny fitombon'ny ary mizara ho ampahany 5 samihafa.

Ny loha dia mahafaoka 1/3-n'ny alehibe manontolo ny embryon .

Mipoitra ny hémisphère cérébral, izay ho lasa tsikelikely ny ampahany lehibe indrindra amin'ny atidoha.

Ao anatin'ny asa izay fehezin'ny hémisphère cérébral ny fisainana, ny fianarana, ny fitadidiana, ny fitenenana, ny fahitana, ny fandrenesana, ny fihetsehana atao an-tsitrapo ary ny fanalàna olana.

Chapter 16   Major Airways

Ao amin'ny système respiratoire, ny tahona bronches ankavanana sy ankavia dia efa miseho ary tsy ho ela dia hampifandray ny trachée, sy ny avokavoka.

Chapter 17   Liver and Kidneys

Jereo ilay aty mafy sy mavesatra izay mameno ny kibo mifanakaiky amin'ny fo izay mitempo.

Ny reins maharitra dia manomboka miforona amin'ny herinandro faha-5.

Chapter 18   Yolk Sac and Germ Cells

Ny chorion dia mitana ny cellules reproductives voalohany izay atao hoe cellules germes. Amin'ny herinandro faha-5 ireo cellules germes dia mifindra toerana ka mankany amin'ireo organes reproductifs izay mifanakaiky amin'ny reins.

Chapter 19   Hand Plates and Cartilage

Amin'ny herinandro 5 koa, no miforona ny plaque-n'ny tanana, ary manomboka amin'ny herinandro 5 1/2 ny fiforonan'ny cartilage

Eto dia hitantsika ny plaque-n'ny tanana ankavia ary ny hato-tanana amin'ny herinandro 5 sy 6 andro.

Embryonic Development: 6 to 8 Weeks

Chapter 20   6 Weeks: Motion and Sensation

Amin'ny herinandro 6 dia mitombo ny hémisphères cérébraux fa aingana kokoa noho ny ampahany hafa ny atidoha ny fitomboany

Manomboka manao fihetsika tonga ho azy sy taitaitra ilay embryon. Ilay ireo fihetsika ireo mba hampandroso ny fitomboana neuromuscular ara-dalàna.

Raha kasihina ny eo akaiky ny vavany dia mihemotra ny lohan'ilay embryon- par réflexe izany.

Chapter 21   The External Ear and Blood Cell Formation

Manomboka maka endrika koa ny sofina externe.

Amin'ny herinandro 6, Miforona ny cellule-ndrà ao amin'ny aty izay misy lymphocytes izao. Io karazana cellule-n-drà fotsy io dia manana anjara lehibe amin'ny fitomboan'ny système immunitaire

Chapter 22   The Diaphragm and Intestines

Ny diaphragme, izay ozatra lehibe ampiasaina rehefa miaina, dia efa miforona amin'ny herinandro 6.

Ampahan'ny intestin izao dia efa mivoaka tsindraindray ao anaty tadim-pôtra. Io fandehan-javatra io dia ara-dalàna ary atao hoe herniation physiologique, Ary manome lalana ho an'ireo organes hafa izay miforona ao anaty kibo.

Chapter 23   Hand Plates and Brainwaves

Amin'ny herinandro 6 dia manomboka mihafisaka kelikely ny plaque-n'ny tanana.

Manomboka herinandro 6 sy 2 andro dia efa afaka mahita onjaavy amin'ny atidoha.

Chapter 24   Nipple Formation

Ny mamelon dia manomboka mitranga manaraka ny halavan'ny vatana alohan'ny hatongavany eo amin'ny toerana izay hipetrahany farany eo alohan'ny tratra izany.

Chapter 25   Limb Development

Amin'ny herinandro 6 ½ dia efa miavaka tsara ny coudes, manomboka misaraka ny rantsa-tanana ary efa hita mihetsika ny tanana.

Ny fiforanan'ny taolana, izay atao hoe ossification, dia manomboka amin'ny clavicule, BLANK ary ny taolana ambony sy ambany ny valanorano.

Chapter 26   7 Weeks: Hiccups and Startle Response

Manomboka herinandro 7 dia afaka hita ny hoquet.

Izao dia afaka mahita ny fihetsikin'ny ranjo izay mahatonga ilay foetus ho taitra tampoka.

Chapter 27   The Maturing Heart

Vita tanteraka ny fiforonan'ilay fo izay Manana efitra 4. Raha aravona dia in-167 isaky ny 1 minitra no mitempo ny fo izao.

Fihetsiketsehana elektrika avy amin'ny fo hita amin'ny herinandro 7 1/2 weeks dia mampiseho modelin'onja mitovy amin'ny olombelona matotra.

Chapter 28   Ovaries and Eyes

Eo amin'ny vehivavy, amin'ny herinandro faha-7 dia efa hita ny ovaires.

Amin'ny herinandro 7 1/2, ny rétine pigmentée ny maso dia mora hita ary ny hodi-maso dia manomboka mitombo aingana.

Chapter 29   Fingers and Toes

Ny rantsa-tanana dia misaraka ary ny rantsa-tongotra dia mikambana eo amin'ny fotony ihany.

Afaka mikambana izao ny tanana roa, ary koa ny tongotra roa.

Efa hita koa izao ny taolan'ny lohalika.

The 8-Week Embryo

Chapter 30   8 Weeks: Brain Development

Amin'ny herinandro faha-8 efa mitombo fatratra Ny atidoha ary dia mikaoty ho atsasakin'ny lanja totalin'ny embryon eo ho eo ny lanjany.

Ny fitomboana dia mitohy aingana dia aingana.

Chapter 31   Right- and Left-Handedness

Eo amin'ny herinandro 8 , amin'ny 75%-ny embryons rehetra dia hita fa ny ankavanana no manjaka. Ny sisa dia mizara mitovy na kavia na tsy mifidy. Io ny ahitana voalohany ny fihetsika avy eo amin'ny ankavia na ankavanana.

Chapter 32   Rolling Over

Ny boky pédiatrique dia miresaka momba ny fahaizana " mivadibadika " mitranga amin'ny herinandro 10 ka hatramin'ny 20 aorian'ny fiterahana. anefa io fahaizana mahagaga io dia efa miseho mialoha eo amin'ny tontolon'ny gravité avy eo amin'ny sac amniotique. Ilay hery ilaina tsy ampy ahazoana miady ilay hery manosika eo ivelan'ny utérus no mapahatonga ireo zaza vao teraka tsy hivadibadika.

Manomboka mihetsika betsaka ilay embryon amin'io fotoana io.

Mety miadana na haingana ny fihetsika, indray mandeha monja na miverimberina, tonga ho azy na vokatry ny reflex.

Ny fiodin'ny loha, ny fihetsikin'ny tenda, ary ny fihetsikin'ny tanana eny amin'ny tarehy dia miha-hita matetika.

Raha mikasika ilay embryon dia afaka mitondra azy hi-loucher, mampihetsika ny valanorano, fihetsika toy ny mamihina, ary manondro ny rantsa-tongotra.

Chapter 33   Eyelid Fusion

Eo anelanelan'y herinandro 7 sy 8 , ny hodi-maso ambony sy ambany dia mitombo aingana eo amin'ny maso ary manomboka mitambatra tsikelikely.

Chapter 34   "Breathing" Motion and Urination

Na dia tsy misy rivotra aza amin'ny utérus, dia hita hoe miaina ilay foetus amin'ny herinandro 8.

Amin'io fotoana io ny reins dia efa manome urine izay mivoaka any amin'ny fluide amniotique.

Eo amin'ny embryon lahy, ny testicules izay mitombo dia manomboka manome sy mamoaka testosterone.

Chapter 35   The Limbs and Skin

Ny taolana, ny hozatra, ny ozatra, ary ny lalan-dra eo amin'ny tongotra na tanana dia miha-mitovy ny an'ny olona matotra.

Amin'ny herinandro 8 ny epiderme, na oditra ivelany , dia lasa membrane misy sosona maro, ary very ny ankebiazin'ny tsy fahitan-dokony.

Mitombo ny volomaso ary manomboka maniry ny volo manodidina ny vava.

Chapter 36   Summary of the First 8 Weeks

Ny herinandro faha-valo dia mamarana ny fotoana embryonnique.

Nandritry io fotoana io ilay embryon dia nitombo avy amin'ny cellule singany iray koa lasa tsy latsaky ny cellules arivo tapitrisa izay manome mihoatra ny 4,000 structures anatomiques miavaka.

Ilay embryon izao dia manana mihoatra ny 90%-ny structures hita eo amin'ny olona matotra.


Add a Comment

Your Name: Log In 3rd-party login: Facebook     Google     Yahoo

Comment: