Skip Navigation
The Endowment for Human Development
The Endowment for Human Development
Improving lifelong health one pregnancy at a time.
Donate Now Get Free Videos

Multilingual Illustrated DVD [Tutorial]

The Biology of Prenatal Development




NY FIVOARAN'NY ZAZA ANY AMBOAKA

.Malagasy


National Geographic Society This program is distributed in the U.S. and Canada by National Geographic and EHD. [learn more]

Choose Language:
Download English PDF  Download Spanish PDF  Download French PDF  What is PDF?
 

Chapter 40   3 to 4 Months (12 to 16 Weeks): Taste Buds, Jaw Motion, Rooting Reflex, Quickening

Amin'ny herinandro 11 sy 12, dia mitombo 60% eo ho eo ny lanjan'ny foetus.

Ny herinandro 12 dia mamarana ny trimestre voalohan'ny maha-bevohoka.

Ny vava izao dia maheno tsimon'ny tsiro miavaka.
Amin'ny fiterahana , ny tsimon'ny tsiro dia hijanona eo amin'ny lela sy ao ambonin'ny vava.

Ny fihetsikin'ny tsinay dia manomboka amin'ny herinandro 12. ary mitohy mandritry ny 6 herinandro eo ho eo.

Ilay zavatra havoakan'ny colon foetal-ny zaza vao teraka dia atao hoe meconium. Izy io dia misy enzymes digestives, proteines, ary cellules maty narian'ny tract digestif.

Amin'ny herinandro 12, ny halavan'ny rantsaka ambony dia efa hahatratra ny halehibeny farany eo amin'ny halehiben'ny vatana. Ny rantsana ambany dia elaela kokoa vao mandray ny halehibeny farany.

Hafa-tsy ny aoriana sy ny ambonin'ny loha, ny vatan'ny foetus rehetra izao dia mamaly rehefa kasihina maivana.

Ny fitomboana araky ny maha-lahy sy maha-vavy dia manomboka hita. Ohatra, ny foetus vavy dia mampiseho fihetsikin'ny valanorano matetika kokoa noho ny lahy.

Ny zavatra samihafa amin'ny tetsy ambony koa dia raha kasihina ny eo akaikin'ny vava dia mahita fihodinana eo amin'ny stimulus ary dia mivoha ny vava. Io fihetsika io dia atao hoe "rooting reflex" ary io dia mitohy aorian'ny fiterahana, manampy ilay zaza vao teraka ahita ny nonon'ny reniny rehefa minono.

Mitohy ny fitomboan'ny tarehy ary manomboka misy tavy mipetraka eo amin'ny takolaka ary manomboka koa ny fitomboan'ny nify.

Amin'ny herinandro 15, tonga ao amin'ny tsokan- taolana ary mihamaro ny cellules-ndrà . Ny ankabiazan'ny fitomboan'ny cellule-ndrà dia mipointra amin'io fotoana io.

Na dia manomboka amin'ny herinandro faha-6 aza ny fihetsik'ilay embryon ny vehivavy bevohoka dia mandre ny fihetsiny anelanelany herinandro 14 sy 18. Taloha dia atao hoe quickening io fotoana io.


Add a Comment

Your Name: Log In 3rd-party login: Facebook     Google     Yahoo

Comment: