Skip Navigation
The Endowment for Human Development
The Endowment for Human Development
Improving lifelong health one pregnancy at a time.
Donate Now Get Free Videos

Multilingual Illustrated DVD [Tutorial]

The Biology of Prenatal Development




NY FIVOARAN'NY ZAZA ANY AMBOAKA

.Malagasy


National Geographic Society This program is distributed in the U.S. and Canada by National Geographic and EHD. [learn more]

Choose Language:
Download English PDF  Download Spanish PDF  Download French PDF  What is PDF?
 

The Embryonic Period (The First 8 Weeks)

Embryonic Development: The First 4 Weeks

Chapter 3   Fertilization

Amin'ny lafiny biolojika, "dia amin'ny fotoana fifandraisana no manomboka ny fitomboan'ny zaza," rehefa miray ny lahy sy ny vavy ka samy manome chromosomes 23 izy ireo avy amin'ny fikambanan'ny cellule fifandraisany avy.

Ny cellule fifandraisan'ny vehivavy dia atao hoe "oeuf" fa ny tena filazana azy dia ovocyte.

Arak'izany, ny cellule fifandraisan'ny lehilahy dia matetika fantatra hoe "sperme" fa ny filazana azy marina dia spermatozoïde.

Rehefa mivoaka avy amin'ny ovaire-ny vavy ny ovocyte io fotoana io dia atao hoe ovulation, dia miray ny ovocyte sy ny spermatozoïde ao anatin'iray amin'ireo trompes-ny utérus, izay antsoina matetika hoe "trompes De Fallope".

Ny trompes utérine dia mampitohy ny ovaire-ny vehivavy amin'ny uterus-ny.

Ilay embryon izay vokatra ho cellule tokona dia atao hoe zygote, midika hoe "nampiarahana na nampifandraisana."

Chapter 4   DNA, Cell Division, and Early Pregnancy Factor (EPF)

Ny chromosome 46-ny zygote dia manome ny boky voalohany tokana vita printy tanteraka ho an'ilay olombelona vaovao. Io fandaharana lehibe io dia mitoetra ao anatin'ny molecules izay miorina sy mifintina mafy atao hoe DNA. Ireo no mitondra ny fampianarana ho an'ny fitomboan'ny vatana manontolo.

Ny molecules DNA dia ohatran-ny tohatra miolana atao hoe double helix. Ireo ambaratonga amin'ny tohatra dia molecules mitambatra tsiroaroa, na fototra, atao hoe guanine, cytosine, adenine, ary thymine.

Ny guanine dia tsy mitambatra afa-tsy amin'ny cytosine, ary ny adenine amin'ny thymine. Ny cellule-n'olombelona tsirairay dia mitondra 3 arivo-tapitrisa an'ireo fototra tsiroaroa ireo, eo ho eo.

Ny DNA amin'ny cellule tokana dia mitondra fanambarana be dia be indrindra koa raha ho raisina an-tsoratra, ny litera voalohany amin'ny fototra tsirairay dia mila takila mihoatra ny 1.5 tapitrisa!

Raha toa ka ampifanarahana ny DNA amin'ny cellule-n'olombelona tokana dia mirefy 100 cm na 1 metatra.

Raha toa ka afaka sokafana ny DNA rehetra Ao anaty ny cellules 100 arivo tapitrisa -na olombelona matotra, dia mety mihitatra mihoatra ny 63 arivo-tapitrisa maily. Io halavirana io dia mahatratra avy eo amin'ny tany ka hatramin'ny masoandro ary miverina in-340.

24 ka hatramin'ny 30 ora eo ho eo aorian'ny fampiraisana, dia vita ny fizarana ny cellule voalohany ataon'ny zygote. Araka ny mitose dia mizara roa ny cellule iray, mizara efatra ny cellule roa, sns.

Vao 24 hatramin'ny 48 ora aorian'ny fampiraisana, dia afaka hamarinina ny maha-bevohoka raha vao hita ilay hormone atao hoe "facteur de début de grossesse" ao amin'ny rà-n'ilay reny.

Chapter 5   Early Stages (Morula and Blastocyst) and Stem Cells

Amin'ny andro faha-3 na 4 aorian'ny fampiraisana, dia maka endrika boribory ilay cellules-ny embryon izay mizara ary antsoina hoe morula ilay embryon.

Amin'ny andro faha-4 na 5 dia lasa misy lavaka ao anatin'ilay cellule boribory dia atao hoe blastocyst ny anaran' ilay embryon.

Ny cellules ao anaty ny blastocyst dia antsoina hoe masse de cellule intérieure ary hanome ny loha, vatana, ary ny endrika hafa izay iankina'ny ain'ilay olombelona izay vao mitombo.

Ny cellule ao anatin'ny masse de cellule intérieure dia atao hoe cellule de tige embryonnaire satria izy ireo dia afaka manome tsirairay amin'ireo mihoatra ny karazana cellules 200 izay misy ao amin'ny vatan'ny olombelona.

Chapter 6   1 to 1½ Weeks: Implantation and Human Chorionic Gonadotropin (hCG)

Rehefa avy mitety ny trompes utérine, dia mitoetra ao anatin'ny rindrin'ny utérus-ny reny ilay embryon. Io fandaminana io, izay atao hoe implantation, dia manomboka 6 andro ary miafara 10 na 12 andro aorian'ny fampiraisana.

Ny cellules avy eo amin'ilay embryon izay mitombo dia manomboka manome hormone atao hoe hormone gonadotrophine chorionique, na HCG, ilay zavatra hitan'ny ankabiazan'ny tests de maternité.

Ny HCG dia mitondra ny hormones-ny reny hijanonan'ny ny cycle menstrual, ary hitohizan'ny grossesse.

Chapter 7   The Placenta and Umbilical Cord

Aorian'ny implantation, ny cellules manodidina ny blastocyst dia manome endrika atao hoe placenta, izay manelanelana ny fikorian'ny rà eo amin'ny vatan'ny reny sy ny an'ilay embryon.

Ny placenta dia manome oxygène avy amin'ny reny, sy sakafo, ary hormones, sy fanafody ho an'ilay olombelona vao mitombo; Manila ny maloto rehetra; ary manakana ny rà-n'ny reny hikambana amin'ny rà-n' ny embryon sy foetus.

Ny placenta dia manome hormones koa ary manao izay hijanona'ny températuren'ny vatan'ny embryon na foetus avoavo kely kokoa noho ny an'ny reny.

Ny placenta dia mifandray amin'ilay zaza mitombo amin'ny alalan'ny lalan-drà eo amin'ny tadim-potra.

Ny fahazoan'ny placenta mitana ny aina dia azo oharina amin'ireo unités de soins intensifs hita eny amin'ny hopitaly araka ny toetra'andro ankehitriny.

Chapter 8   Nutrition and Protection

Amin'ny herinandro voalohany, ny cellules avy eo amin'ny masse de cellule intérieure dia manome sosona roa atao hoe hypoblaste sy épiblaste.

Ny hypoblaste no mitohy ka manome ny chorion, izay iray amin'ireo fomba hanomezan'ny reny sakafo an'ilay embryon vao miforona.

Ny cellules avy eo amin'ny épiblaste dia manome hoditra manify atao hoe amnios, ao anatin'io ilay embryon dia avy eo ilay foetus no mitombo mandra-piterahana.

Chapter 9   2 to 4 Weeks: Germ Layers and Organ Formation

Rehefa afaka 2 1/2 herinandro eo ho eo, dia indro ny épiblaste fa manome nofo manokana 3, na sosona mitsimoka, atao hoe ectoderme, endoderme, ary mésoderme.

Ny ectoderme dia manome rafitra maro ao anatin'izany ny atidoha, ny tadin'ny hazon-damosina, ny ozatra maro, ny hoditra, ny hohon-tongotra na tanana, ary ny volo.

Ny endoderme dia manome ny sosona ao amin'ny fomba iainana (système respiratoire) ary ny faritry ny fandevonan-kanina, ary dia manome ampahany amin'ireo organes lehibe indrindra toy ny aty sy ny pancréas.

Ny mésoderme no mamboatra ny fo, ny reins, ny taolana, ny cartilage, ny ozatra, ny cellules-ny rà, ary koa rafitra hafa.

Amin'ny herinandro faha-3 dia mizara ho fizarana lehibe 3 ny atidoha atao hoe prosencéphale, mésencéphale, ary hindbrain.

Ny système respiratoire sy digestif koa dia efa mivoatra.

Raha vao manomboka miseho ao amin'ny chorion ny cellules-ndrà voalohany, dia manomboka maka endrika ny lalan-drà manerana ny embryon, ary mipoitra ny tubular heart.

Avy hatrany ilay fo izay mitombo haingana dia miara-miorona ary manomboka miforona ny efitra tokan'ny fo.

Manomboka mitempo ny fo 3 herinandro sy 1 andro aorian'ny fampiraisana.

Ny système circulatoire no système voalohany amin'ny vatana, na antokona organes mihavana, izay mamita ny asany.

Chapter 10   3 to 4 Weeks: The Folding of the Embryo

Anelanelany herinandro 3 sy 4, dia efa mipoitra ny tarehin'ny vatana satria ny atidoha, ny tadin'ny hazon-damosina, ary ny fo-n'ilay embryon dia efa azo hamarinina fa hita mazava. manaraka ny chorion.

Ny fitomboana malaky dia mampiforitra ilay embryon izay fisaka. Io ambaratonga io dia mandray ampahan'ilay chorion ao anatin'ilay soson'ny système digestif ary manome ny tratra ary ny cavités abdominales n'ilay zaza vao miforona.


Add a Comment

Your Name: Log In 3rd-party login: Facebook     Google     Yahoo

Comment: